Eksodosy 34:22-28 Malagasy Bible (MG1865)

22. Ary tandremo ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro amin'ny fanaterana ny voaloham-bokatra, raha mijinja ny vary tritika, sy ny andro firavoravoana amin'ny fanangonana amin'ny fitsingerenan'ny taona.

23. Intelo isan-kerintaona ny lehilahy rehetra aminao no hiseho eo anatrehan'i Jehovah Tompo, Andriamanitry ny Isiraely.

24. Fa handroaka firenena eo alohanao Aho ka hanitatra ny fari-taninao; ary tsy hisy olona haniry ny taninao, raha miakatra hiseho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao intelo isan-kerintaona ianao.

25. Aza manatitra ny ran'ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy amin'ny andro firavoravoana amin'ny Paska.

26. Ny santatra amin'ny voaloham-bokatry ny taninao dia haterinao ho ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny.

27. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Soraty ireo teny ireo, fa araka ireo teny ireo no nanaovako fanekena aminao sy amin'ny Isiraely.

28. Dia teo amin'i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina izy sady, tsy nihinan-kanina na nisotro rano. Ary nosoratan'i Jehovah tamin'ny vato fisaka ny tenin'ny fanekena, dia ny Didy Folo.

Eksodosy 34