1. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Manamboara ho anao vato fisaka roa tahaka ilay teo, dia hosoratako amin'ireo vato fisaka ireo ny teny izay tamin'ilay vato fisaka teo, izay novakivakinao;
2. ary aoka hivonona ianao mandra-pahamaraina; dia miakara raha maraina ho ao amin'ny tendrombohitra Sinay, ka mitsangana eo anatrehako ao an-tampon'ny tendrombohitra.
3. Ary aoka tsy hisy olona hiakatra afa-tsy ianao, ary aoka tsy hisy olona ho hita eny amin'ny tendrombohitra Sinay rehetra; ary ny ondry aman'osy koa sy ny omby dia aoka tsy hisy handrasana eny akaikin'izany tendrombohitra izany
4. Dia nanamboatra vato fisaka roa tahaka ilay teo Mosesy, ary nifoha maraina koa izy ka niakatra tao amin'ny tendrombohitra Sinay, araka izay nandidian'i Jehovah azy; ary nentiny teny an-tànany ny vato fisaka roa.
5. Ary Jehovah nidina tao anatin'ny rahona ka nijanona teo aminy, dia nanonona ny anaran'i Jehovah.