Eksodosy 30:24-34 Malagasy Bible (MG1865)

24. sy kasia dimam-jato; araka ny sekely masina, ary diloilon'oliva eran'ny hina;

25. dia amboary ho diloilo fanosorana masina izany, ho zavatra aharoharo, asan'ny mpangaroharo zava-manitra; ho diloilo fanosorana masina izany.

26. Ary hosory amin'izany ny trano-lay fihaonana sy ny fiaran'ny Vavolombelona,

27. sy ny latabatra mbamin'ny fanaka rehetra momba azy sy ny fanaovan-jiro mbamin'ny fanaka momba azy sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra,

28. ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mbamin'ny fanaka rehetra momba azy ary ny tavy sy ny faladiany.

29. Ary hamasino ireo mba ho masina indrindra; ary ho masina izay rehetra manendry azy.

30. Ary hosory Arona sy ny zanany, ka hamasino izy mba ho mpisorona ho Ahy.

31. Ary mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ity ho diloilo fanosorana masina ho Ahy hatramin'ny taranakareo fara mandimby.

32. Aoka tsy hihosoran'ny olon-kafa izany, na hisy haka tahaka azy, araka ny fanaovana azy; fa masina izy ka ho masina aminareo.

33. Na zovy na zovy mangaroharo izay tahaka azy, ary na zovy na zovy manosotra azy amin'ny vahiny dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.

34. Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Makà zava-manitra ho anao, dia natafa sy sekeleta sy helbena ary lebona madio; samy hamboarina manokana ireo.

Eksodosy 30