27. Ary manaova vava volamena roa koa, ka ataovy eo amin'ny soroko roa amin'ny efoda, dia ao ambaniny, eo anoloany, akaikin'ny fikambanany, eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda.
28. Ary kofehy manga no hamehezana ny vava volan'ny saron-tratra amin'ny vava volan'ny efoda, mba ho eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra, ka tsy ho afaka eo.
29. Ary Arona hitondra ny anaran'ny Zanak'Isiraely eo amin'ny saron-tratra fitsarana manolotra ny fony, raha miditra amin'ny fitoerana masina izy, mba ho fahatsiarovana mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah.
30. Ary ataovy eo amin'ny saron-tratra fitsarana ny Orima sy Tomima; ary hanolotra ny fon'i Arona izany, raha miditra eo anatrehan'i Jehovah izy; ka dia ho entin'i Arona manolotra ny fony mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah ny fitsarana ny Zanak'Isiraely.
31. Ary ny akanjo ivelany misy ny efoda dia ataovy manga avokoa.