Eksodosy 28:14-20 Malagasy Bible (MG1865)

14. sy olam-bolamena tsara roa; mifanolana toy ny tady no hanaovanao ireo, ary hataonao eo amin'ny randram-bolamena ireo alom-bolamena toy ny tady ireo.

15. Ary manaova saron-tratra fitsarana, ka asan'ny mpanenona mahay, toy ny nanaovana ny efoda, no hanaovanao azy; volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina no hanaovanao azy.

16. Ho efa-joro miforitra roa izy, ary ho irain-jehy avy ny lafiny efatra.

17. Ary asio vato alatsaka an-tranontranony izy, dia vato efatra an-dalana: ny andalana voalohany dia karnelia sy topaza ary emeralda;

18. ary ny andalana faharoa dia robina sy safira ary onyksa;

19. ary ny andalana fahatelo dia opala sy agata ary ametysta;

20. ary ny andalana fahefatra dia krysolita sy beryla ary jaspy; ary asio randram-bolamena ny fitoerany avy.

Eksodosy 28