Eksodosy 24:3-6 Malagasy Bible (MG1865)

3. Dia tonga Mosesy ka nanambara tamin'ny olona ny teny rehetra izay nataon'i Jehovah sy ny fitsipika rehetra. Ary namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Ny teny rehetra izay nolazain'i Jehovah dia hataonay.

4. Ary Mosesy nanoratra ny teny rehetra nataon'i Jehovah, dia nifoha maraina koa ka nanorina alitara teo am-bodin'ny tendrombohitra sy tsangam-bato roa ambin'ny folo, araka ny firenen'Isiraely roa ambin'ny folo.

5. Ary ny zatovo amin'ny Zanak'Isiraely nirahiny, dia nitondra fanatitra dorana ireo ka namono vantotr'ombilahy hatao fanati-pihavanana ho an'i Jehovah.

6. Ary nalain'i Mosesy ny antsasaky ny rà ka nataony teo anaty lovia, ary ny antsasaky ny rà kosa natopiny teo amin'ny alitara.

Eksodosy 24