Eksodosy 14:29-31 Malagasy Bible (MG1865)

29. Fa ny Zanak'Isiraely kosa nandeha tamin'ny tany maina teo afovoan'ny ranomasina; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany.

30. Izany no namonjen'i Jehovah ny Isiraely tamin'izany andro izany mba tsy ho azon'ny Egyptiana; ary hitan'ny Isiraely teny amoron'ny ranomasina ny fatin'ny Egyptiana.

31. Ary rehefa hitan'ny Isiraely ny asa lehibe izay nataon'ny tànan'i Jehovah tamin'ny Egyptiana, dia natahotra an'i Jehovah ny olona ka nino an'i Jehovah sy Mosesy mpanompony.

Eksodosy 14