1. Ary izao no anaran'ny zanak'Isiraely izay niaraka tamin'i Jakoba nankany Egypta; samy nandeha mbamin'ny ankohonany avy izy rehetra:
2. Robena sy Simeona sy Levy ary Joda;
3. Isakara sy Zebolona ary Benjamina;
4. Dana sy Naftaly, ary Gada sy Asera.
5. Ary ny isan'ny olona rehetra naterak'i Jakoba dia fito-polo; fa Josefa efa tany Egypta rahateo.
6. Ary maty Josefa sy ny rahalahiny rehetra mbamin'izany taranaka rehetra izany.
7. Ary ny Zanak'Isiraely niteraka ka nitombo betsaka sy nihamaro ary nihahery dia nihahery indrindra, ka dia henika azy ny tany.