Efesiana 6:6-10 Malagasy Bible (MG1865)

6. tsy amin'ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin'olona, fa tahaka ny mpanompon'i Kristy manao izay sitrapon'Andriamanitra amin'ny fo,

7. amin'ny sitrapo manao fanompoana toy ny amin'ny Tompo, fa tsy amin'olona,

8. satria fantatrareo fa izay soa ataon'ny olona rehetra no horaisiny amin'ny Tompo, na andevo na tsy andevo izy.

9. Ary ianareo tompo, manaova toy izany aminy kosa, ka atsaharo ny fandrahonana, satria fantatrareo fa ny Tompony sady Tomponareo koa dia any an-danitra; ary tsy misy fizahan-tavan'olona aminy.

10. Farany, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany.

Efesiana 6