9. Koa aoka ho fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin'ny taranaka arivo mandimby,
10. ary mamaly miharihary izay mandrafy Azy amin'ny fandringanana azy; tsy hitaredretra Izy ny amin'izay mandrafy Azy, fa hamaly azy miharihary.
11. Koa tandremo ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika, izay andidiako anao anio, ka araho izy.
12. Ary raha mihaino ireo fitsipika ireo ianareo ka mitandrina sy manaraka azy, dia hotanterahin'i Jehovah Andriamanitrao aminao ny fanekena sy ny famindram-po, izay nianianany tamin'ny razanao;