Deotoronomia 25:7-14 Malagasy Bible (MG1865)

7. Ary raha tsy sitra-dralehilahy ny hitondra loloha ny vadin-drahalahiny, dia aoka hankeo amin'ny vavahady ho eo amin'ny loholona ravehivavy ka hanao hoe: Ny rahalahin'ny vadiko tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny, fa tsy mety mitondra loloha ahy.

8. Dia hantsoin'ny loholona amin'ny tanàna ralehilahy ka hadininy; ary raha mikiry izy ka manao hoe: Tsy sitrako ny hanambady azy,

9. dia hanatona azy eo anatrehan'ny loholona ny vadin-drahalahiny ka hanala ny kapa amin'ny tongo-dralehilahy, dia handrora amin'ny tavany ka hiteny hoe: Toy izany no hatao amin'izay olona tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny.

10. Ary ny anaran-dralehilahy dia hatao eo amin'ny Isiraely hoe: Fianakavian'ilay nalan-kapa.

11. Raha misy olona miady, ary ny vadin'ny anankiray manatona hamonjy ny vadiny amin'ny tànan'izay mamely azy, ary maninjitra ny tànany ka mandray azy an-kasarotana,

12. dia hotapahinao ny tànany; tsy hiantra azy ny masonao.

13. Aoka tsy hisy vato mahery sy reraka ao an-kitaponao.

14. Aoka tsy hisy famarana mihoatra sy latsaka ao an-tranonao.

Deotoronomia 25