Deotoronomia 19:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Rehefa aringan'i Jehovah Andriamanitrao ny firenen-tsamy hafa, izay tompon'ny tany omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, ary mandresy azy ianao ka monina ao an-tanànany sy ao an-tranony,

2. dia manokàna tanàna telo ho anao eo afovoan'ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao holovana.

3. Amboary ny lalana, ka zarao ho telo toko ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao holovanao, mba handosiran'ny mahafaty olona rehetra ao.

4. Ary ny mahafaty olona izay hovelomina, raha mandositra ao, dia ny mahafaty ny namany tsy nahy ka tsy nankahala azy teo aloha

5. toy ny olona izay miaraka amin'ny namany ho any an'ala hikapa hazo, koa manainga ny famaky hikapa ny hazo ny tànany, dia mitsoaka amin'ny zarany ny lela-famaky, ary mahavoa ny namany ka mahafaty azy, dia aoka handositra ao amin'ny anankiray amin'ireo tanàna ireo izy ka hovelomina;

Deotoronomia 19