Deotoronomia 17:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Aza vonoina hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrao izay misy kilema maharatsy azy, na omby na ondry na, fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ny manao izany.

2. Raha misy hita ao aminao ao an-tanĂ nanao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, na lehilahy na vehivavy manao izay ratsy eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ka mivadika ny fanekeny

3. ka lasa mandeha manompo andriamani-kafa ary mivavaka aminy na amin'ny masoandro, na amin'ny volana, na amin'ny kintana, izay zavatra efa nandrarako azy,

4. ka voalaza aminao izany, ary efa renao, dia diniho tsara, ka indro, raha nisy marina tokoa izany zavatra izany, ka natao teo amin'ny Isiraely izany fahavetavetana izany:

Deotoronomia 17