Deotoronomia 15:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary isam-pito taona dia manaova fanafahana ianao.

2. Ary izao no ho fomban'ny fanafahana: Ny tompon-trosa rehetra izay nampanàna vola tamin'ny namany dia hamoy izany; tsy hanery ny namany izay rahalahiny handoa izy, satria efa voantso ny fanafahan'i Jehovah.

3. Ny olona hafa firenena ihany no azonao terena handoa; fa izay anao amin'ny rahalahinao kosa dia hafoinao;

4. kanefa tsy dia hisy olo-malahelo eo aminao, fa hitahy anao tokoa Jehovah eo amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao,

5. raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka izao lalàna rehetra izao, izay andidiako anao anio.

Deotoronomia 15