18. ary ny vano sy ny vanobe, samy araka ny karazany avy, ary ny takidara sy ny manavy.
19. Ary ny zava-mandady rehetra izay manana elatra dia haloto aminareo ka tsy ho fihinanareo.
20. Ny zava-manana elatra izay madio no ho fihinanareo.
21. Aza homana izay maty ho azy, fa omeo ho an'ny vahiny izay ao an-tanĂ nanao izany mba hohaniny, na amidio amin'ny olona hafa firenena; fa firenena masina ho an'i Jehovah Andriamanitrao ianao. Aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny.
22. Aloavy tsara ny ampahafolon'ny vokatra rehetra avy amin'ny voa nafafinao, dia ny vokatra any an-tsaha isan-taona;