Daniela 9:16-19 Malagasy Bible (MG1865)

16. Tompo ô, mifona aminao aho, araka ny fahamarinanao rehetra, aoka re hionona ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao amin'i Jerosalema tanànanao, tendrombohitrao masina, fa ny helokay sy ny fahotan'ny razanay no nahatonga an'i Jerosalema sy ny olonao ho latsa amin'izay rehetra manodidina anay.

17. Fa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, henoy ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fifonany, ary ampamirapirato ny tavanao amin'ny fitoeranao masina izay efa foana, satria Tompo Hianao.

18. Andriamanitra ô, atongilano ny sofinao, ka mihainoa; ahirato ny masonao, ka jereo ny fahafoananay sy ny tanàna izay nantsoina amin'ny anaranao; fa tsy amin'ny fahamarinanay no andoaranay ny fifonanay eto anatrehanao, fa amin'ny halehiben'ny indrafonao.

19. Tompo ô, mandrenesa, Tompo ô, mamelà heloka; Tompo ô, mihainoa, ka miasà; aza ela Hianao, ry Andriamanitro ô noho ny aminao; fa ny tanànanao sy ny olonao dia nantsoina amin'ny anaranao.

Daniela 9