Daniela 8:7-17 Malagasy Bible (MG1865)

7. Ary hitako nanatona ho eo anilan'ny ondrilahy izy, dia nisafoaka taminy ka namely ny ondrilahy ary nanapaka ny tandrony roa, ka tsy nahajanona teo anoloany intsony ilay ondrilahy, fa nazerany teo amin'ny tany ka nohitsakitsahiny; ary tsy nisy nahavonjy ilay ondrilahy teny an-tànany.

8. Ary dia nihahery indrindra ilay osilahy; nefa nony nahery izy, dia tapaka ilay tandrony lehibe; ary nisy efatra lehibe nipoitra nisolo iny nifanandrify tamin'ny rivotra efatry ny lanitra.

9. Ary nisy tandroka kely nipoitra avy tamin'ny anankiray amin'ireny ka nihalehibe indrindra nianatsimo sy niantsinanana ary nankany amin'ny tany mahafinaritra.

10. Ary nihalehibe izy ka nihatra tamin'ireo maro be eny amin'ny lanitra; ary nisy nazerany ho amin'ny tany ireo maro be sy ny kintana ka nohitsakitsahiny.

11. Eny, nihalehibe izy ka dia niady tamin'ny Komandin'ireo maro be, ary nesorina taminy ny fanatitra isan'andro, ary ny fitoerana masina noravana.

12. Ary nisy maro be mbamin'ny fanatitra isan'andro natolotra azy noho ny fahadisoana, dia nazerany ho amin'ny tany ny fahamarinana; ary niasa izy sady nambinina.

13. Dia nandre ny masina anankiray niteny aho, ary nisy masina iray koa nanao tamin'ilay niteny hoe: Mandra-pahoviana ny fahitana mandrakariva sy ny fahotana mahatonga fandravana mba hanolorana ny fitoerana masina sy ireo maro be ho fanitsaka?

14. Ary hoy izy tamiko: Taon-jato sy roa arivo andro; ary nony afaka izany, dia amin'izay vao hodiovina ny fitoerana masina.

15. Ary nony nahita ny fahitana izaho Daniela ka nitady hahafantatra izany, dia, indro, nisy nanana tarehy tahaka ny olona nitsangana teo anatrehako.

16. Ary nandre feon'olona tao afovoan'i Olay aho, izay niantso ka nanao hoe: Ry Gabriela, ampahalalao ny fahitana ity lehilahy ity.

17. Ary dia nankeo amin'ilay nitsanganako izy; ary nony tonga izy, dia raiki-tahotra aho ka nikarapoka nihohoka; nefa hoy izy tamiko: Aoka ho fantatrao, ry zanak'olona, fa io fahitana io dia milaza ny farany.

Daniela 8