7. Nony afaka izany, dia nahita tamin'ny fahitana tamin'ny alina aho, ary, indro ny fahefatra, biby mahatsiravina sady matanjaka sy mahery indrindra, ary nanana nify vy lehibe izy; nihinana sy nanotahota izy, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen'ny tongony; ary hafa noho ny biby rehetra teo alohany izy sady nanana tandroka folo.
8. Nodinihiko ny tandroka, ka, indro, nisy tandroka iray kely koa nipoitra teo aminy, ary novohana teo anoloan'io ny tandroka telo tamin'ireo taloha; ary, indro, nanana maso toy ny mason'olona sy vava miteny zavatra mihoa-pampana izy.
9. Mbola nijery ihany aho mandra-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon'ondry madio; ny seza fiandrianany dia lelafo, ary ny kodiany dia afo mirehitra.
10. Ony afo no nivoaka sy nandeha avy teo anatrehany; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany; nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky.
11. Dia mbola nijery ihany aho noho ny feon'ny teny mihoapampana notenenin'ilay tandroka; eny, nijery aho ambara-pamono ny biby, ka nolevonina ny tenany, ary natao teo amin'ny afo mirehitra izy.