28. Raha mbola teo am-bavan'ny mpanjaka ihany ny teny, dia nisy feo latsaka avy tany an-danitra nanao hoe: Ry Nebokadnezara mpanjaka, ianao indrindra no anaovana hoe: Ny fanjakana niala taminao.
29. Fa horoahina hiala amin'ny olona ianao, ka ho any amin'ny bibi-dia ny fonenanao; hampihinanina ahitra toy ny omby ianao, ary fetr'andro fito no holanina aminao ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olona ka manome izany ho an'izay tiany.
30. Tamin'izay indrindra no nahatanterahan'izany tamin'i Nebokadnezara; fa noroahina niala tamin'ny olona izy ka nihinana ahitra toy ny omby, ary ny tenany dia kotsan'ny andon'ny lanitra ambara-panirin'ny volony ho toy ny an'ny voromahery, ary ny hohony ho toy ny an'ny vorona.