22. Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina; Izy no mahalala izay ao amin'ny maizina, ary ny mazava mitoetra ao aminy.
23. Hianao, ry Andriamanitry ny razako รด, no deraiko sy isaorako, satria nomenao fahendrena sy hery aho, ary ankehitriny efa nampahafantarinao ahy izay nangatahinay taminao; fa nampahafantarinao anay ilay nofin'3 ny mpanjaka.
24. Ary noho izany Daniela dia niditra nankao amin'i Arioka, izay notendren'ny mpanjaka handringana ny olon-kendrin'i Babylona, eny, nandeha izy ka nanao taminy hoe: Aza mandringana ny olon-kendrin'i Babylona; fa ento ho eo anatrehan'ny mpanjaka aho, dia hambarako aminy ny hevitry ny nofiny.