Asan'ny Apostoly 26:26-29 Malagasy Bible (MG1865)

26. Fa fantatry ny mpanjaka izany zavatra izany, ka dia miteny amin'ny fahasahiana eto anatrehany aho; fa mino aho fa tsy miafina aminy izany zavatra izany, satria tsy natao tao amin'ny takona izany.

27. Ry Agripa mpanjaka รด, mino ny mpaminany va ianao? Fantatro fa mino ianao.

28. Fa hoy Agripa tamin'i Paoly: Hay! ataonao fa mora toy izany no hampanekenao ahy ho Kristiana.

29. Ary hoy Paoly: Mangataka amin'Andriamanitra aho, fa na amin'ny mora, na amin'ny sarotra, tsy ianao ihany, fa izay rehetra mandre ahy anio, dia hitovy amiko, afa-tsy amin'ireto gadra ireto ihany.

Asan'ny Apostoly 26