Asan'ny Apostoly 25:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Festosy, nony tonga teo amin'ny zara-fanapahany, dia niala tany Kaisaria hiakatra any Jerosalema, rehefa afaka hateloana.

2. Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny olona manan-kaja tamin'ny Jiosy nanambara taminy izay niampangany an'i Paoly sady niangavy taminy

3. ka nangataka azy hohelohina, mba hampanalainy hankany Jerosalema; fa nikasa hanotrika eny amoron-dalana izy hamonoany azy.

Asan'ny Apostoly 25