Asan'ny Apostoly 16:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Dia tonga tany Derbe sy Lystra koa izy; ary, indro, nisy mpianatra anankiray teo atao hoe Timoty - zanaky ny vehivavy Jiosy izay nino, fa jentilisa rainy -

2. ary tsara laza teo amin'ny rahalahy tany Lystra sy Ikonioma izy.

3. Koa tian'i Paoly ho entiny miaraka aminy izy; dia nalainy izy ka noforany noho ny Jiosy tany amin'izany tany izany, satria fantatr'izy rehetra fa jentilisa rainy.

Asan'ny Apostoly 16