8. Ary Andriamanitra, Izay mahalala ny fo, dia vavolombelony tamin'ny nanomezany azy ny Fanahy Masina tahaka antsika koa;
9. fa tsy nataony misy hafa isika sy izy, fa nodioviny tamin'ny finoana ny fony.
10. Koa nahoana ianareo no maka fanahy an'Andriamanitra amin'ny fametrahanareo zioga amin'ny vozon'ny mpianatra, izay tsy zakan'ny razantsika na isika ho entina?