Apokalypsy 19:11-14 Malagasy Bible (MG1865)

11. Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, ka, indro, nisy soavaly fotsy; ary Izay nitaingina azy dia atao hoe Mahatoky sy Marina, ary amin'ny fahamarinana no itsarany sy iadiany.

12. Ary ny masony dia lelafo, ary tamin'ny lohany nisy diadema maro; ary Izy manana anarana voasoratra, izay tsy misy mahalala akory afa-tsy ny tenany ihany.

13. Ary miakanjo akanjo voafafy rĂ  Izy; ary ny anarany atso hoe Ny Tenin'Andriamanitra.

14. Ary ny antokon'ny miaramila any an-danitra dia nanaraka Ary, samy nitaingina soavaly fotsy sy niakanjo rongony madinika sady fotsy no madio.

Apokalypsy 19