Amosa 7:11-16 Malagasy Bible (MG1865)

11. satria hoy Amosa: Ho fatin-tsabatra Jeroboama, ary hobaboina hiala amin'ny taniny tokoa ny Isiraely.

12. Ary hoy Amazia tamin'i Amosa: Ry mpahita! andeha mandositra mankany amin'ny tanin'ny Joda ianao, ka mihinàna hanina any, ary maminania any;

13. fa aza maminany eto Betela intsony; fa fitoera-masin'ny mpanjaka sy tranom-panjakana ity.

14. Dia namaly Amosa ka nanao tamin'i Amazia hoe: Tsy mba mpaminany aho, na zanaka ny mpaminany; fa mpiandry ondry sy mpioty aviavy ihany aho,

15. saingy nalain'i Jehovah tany ampiandrasana ondry ka nataony hoe: Mandehana, ka maminania amin'ny Isiraely oloko.

16. Ka mba henoy ny tenin'i Jehovah: Hianao manao hoe: Aza maminany ny hamelezana ny Isiraely, ary aza milaza ny hamelezana ny taranak'Isaka;

Amosa 7