2. mamangy an'i Timoty, zanako malala: ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika.
3. Misaotra an'Andriamanitra aho, Izay tompoiko araka ny nataon'ny razako amin'ny fieritreretana madio, fa tsy manam-pitsaharana akory ny fahatsiarovako anao amin'ny fivavahako andro aman'alina;
4. ary maniry hahita anao aho (satria tsaroako ny ranomasonao), mba ho feno fifaliana aho;
5. fa nisy nahatsiarovako ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao anatinao, izay nitoetra taloha tao anatin'i Loisa renibenao sy Eonika reninao, ary matoky aho fa ao anatinao koa izany.
6. Ary noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra, izay ao anatinao tamin'ny fametrahako ny tanako.
7. Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.