2 Tantara 33:16-20 Malagasy Bible (MG1865)

16. Ary nanorina indray ny alitaran'i Jehovah izy ka namono zavatra hatao fanati-pihavanana sy fanati-pisaorana teo amboniny, dia nandidy ny Joda hanompo an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.

17. Fa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra teny amin'ny fitoerana avo ihany, kanefa kosa ho an'i Jehovah Andriamaniny ihany.

18. Ary ny tantaran'i Manase sisa mbamin'ny vavaka nataony tamin'Andriamaniny sy ny tenin'ireo mpahita izay niteny taminy tamin'ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely indro, ao amin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.

19. Ary koa, ny vavaka nataony sy ny naneken'Andriamanitra izany ary ny fahotany sy ny fahadisoany rehetra mbamin'ny fitoerana izay nanorenany fitoerana avo sy nananganany Aseraha sy sarin-javatra voasokitra, fony izy tsy mbola nanetry tena, indro, efa voasoratra ao amin'ny tenin'i Hozay izany.

20. Ary Manase lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-tranony; ary Amona zanany no nanjaka nandimby azy.

2 Tantara 33