2 Tantara 31:12-15 Malagasy Bible (MG1865)

12. Ary tamin'ny fahamarinany no nampidirany ny fanatitra sy ny fahafolon-karena sy ny zavatra nohamasininy; ary Konania Levita no mpitahiry ireny, ary simey rahalahiny no manarakaraka.

13. Ary Jehiela sy Azazia sy Nahata sy Asahela sy Jerimota sy Jozabada sy Eliala sy Jismakia sy Mahata ary Benaia, fehin'i Konania sy Simey rahalahiny, no tonian'ireny, araka ny didin'i Hezekia mpanjaka sy Azaria, mpanapaka ny tranon'Andriamanitra.

14. Ary Kore Levita, zanak'i Jimna, mpiandry varavarana tao atsinanana, no tonian'ny fanati-tsitrapo ho an'Andriamanitra, hizara ny fanatitra asandratra ho an'i Jehovah sy ny zava-masina indrindra.

15. Ary ny fehin'i Kore dia Edena sy Miniamina sy Jesoa sy Semaia sy Amaria ary Sekania tao amin'ny tanĂ nan'ny mpisorona; ary adidin'ireo ny hizara ho an'ny rahalahiny araka ny antokony avy, na ny lehibe na ny kely,

2 Tantara 31