2 Tantara 3:9-15 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ary ny lanjan'ny hombo volamena dia sekely dimam-polo. Ary ny efi-trano ambony nopetahany volamena koa.

10. Ary tao amin'ny efi-trano masina indrindra dia nasiany sarin'ny kerobima roa, ary nosokiriny no nanaovany azy, dia nopetahany takela-bolamena.

11. Ny halavan'ny elatry ny kerobima dia roa-polo hakiho: ny elatry ny anankiray dia dimy hakiho, mipaka amin'ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin'ny elatry ny kerobima anankiray;

12. ary ny elatry ny kerobima anankiray koa dia dimy hakiho, mipaka amin'ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin'ny elatry ny kerobima anankiray.

13. Nivelatra ny elatr'ireo kerobima Ireo. ka roa-polo hakiho ny halavany; nijoro tamin'ny tongony, tarehiny nanatrika ny trano.

14. Ary izy nanao ny efitra lamba tamin'ny manga sy volomparasy sy jaky sy rongony fotsy madinika; ary nataony sarin'ny kerobima ny sorany.

15. Ary nanao andry roa teo anoloan'ny trano izy; dimy amby telo-polo hakiho ny hahavony, ary ny kapitaly teo an-tampony dia dimy hakiho ary.

2 Tantara 3