11. Ary Amazia nitombo hery, dia nitarika ny vahoakany ka nankany amin'ny Lohasahan-tsira, ary nahafaty iray alina tamin'ny taranak'i Seira izy.
12. Ary ny iray alina sisa nataon'ny taranak'i Joda sambo-belona, dia nentiny teo an-tampon'ny hantsam-bato ary navariny teo, ka montsamontsana izy rehetra.
13. Fa ireo miaramila izay nampodin'i Amazia tsy hiara-manafika aminy dia nihahakahaka teny an-tanĂ nan'ny Joda hatrany Samaria ka hatrany Beti-horona ka nahafaty olona telo arivo tany sady nahazo babo betsaka.
14. Ary Amazia, nony niverina avy nanafika ny Edomita, dia nitondra ny andriamanitry ny taranak'i Seira ka nanangana azy ho andriamaniny; ary niankohoka teo anatrehany izy sady nandoro ditin-kazo manitra ho azy.
15. Dia nirehitra tamin'Amazia ny fahatezeran'i Jehovah, ka naniraka mpaminany anankiray ho any aminy Izy hanontany azy, hoe: Nahoana ianao no mitady ny andriamanitry ny firenena, izay tsy naharo ny olony tamin'ny tananao aza?