2 Tantara 16:12-14 Malagasy Bible (MG1865)

12. Tamin'ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan'i Asa dia narary tamin'ny tongony izy, ka nihamafy indrindra ny aretiny; nefa na dia narary aza izy, dia tsy nitady an'i Jehovah, fa ny mpanao fanafody ihany.

13. Ary Asa lasa nodi-mandry any amin'ny razany; maty izy tamin'ny taona fahiraika amby efa-polo nanjakany.

14. Dia nalevina tao amin'ny fasany ihany izy, izay nolavahany tao an-TanĂ nan'i Davida, ka nampandrina teo amin'ny fandriana efa nofenoina zava-manitra samy hafa voaharoharo araka ny fanaon'ny mpangaroharo zava-manitra, ary nandoroany zavatra betsaka ho fisaonana azy.

2 Tantara 16