3. Ary nandidy ny Joda hitady an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy ary hankatò ny lalàna sy ny didy.
4. Ary nandrava ny fitoerana avo sy ny tsangan-kazo ho an'ny masoandro teny amin'ny tanànan'ny Joda rehetra izy; dia nandry fahizay ny fanjakana teo anatrehany.
5. Ary nanao tanàna mimanda tany Joda izy; ka dia nandry fahizay ny tany, fa tsy nisy ady tamin'izany andro izany; fa Jehovah no nanome azy fiadanana.
6. Dia hoy izy tamin'ny Joda: Andeha hamboarintsika ireto tanana ireto ka hasiantsika manda manodidina sy tilikambo ary vavahady mihidy, raha mbola azontsika zakaina ny tany; fa efa nitady an'i Jehovah Andriamanitsika isika; eny, nitady Azy isika, ka nanome antsika fiadanana amin'ny manodidina Izy. Ary dia namboariny avokoa izany ka tontosa tsara.
7. Ary Asa nanana miaramila, dia telo hetsy mpitana ampinga lehibe sy lefona avy tamin'ny Joda, ary valo alina amby roa hetsy mpitana ampinga sy tsipìka avy amin'ny Benjamina; ireo rehetra ireo dia lehilahy mahery avokoa.
8. Ary Zera Etiopiana nivoaka hiady tamin'ireo ka nitondra miaramila iray tapitrisa sy kalesy telon-jato, ka dia tonga tao Maresa.
9. Ary Asa nivoaka hiady taminy, dia samy nilahatra hiady teo andohasaha Zefata akaikin'i Maresa izy.