2 Tantara 14:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Asa nanao izay tsara sy mahitsy eo imason'i Jehovah Andriamanitra;

2. fa nandrava ny alitaran'ny firenena hafa sy ny fitoerana avo izy sady nanorotoro ny tsangam-baton-tsampy ary nikapa ny Aseraha.

3. Ary nandidy ny Joda hitady an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy ary hankatò ny lalàna sy ny didy.

4. Ary nandrava ny fitoerana avo sy ny tsangan-kazo ho an'ny masoandro teny amin'ny tanànan'ny Joda rehetra izy; dia nandry fahizay ny fanjakana teo anatrehany.

2 Tantara 14