13. Ary tonga tany Jerosalema Solomona avy teo amin'ny fitoerana avo tao Gibeona, dia teo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary nanjaka tamin'ny Isiraely izy.
14. Ary Solomona nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ka nanana kalesy efa-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina, izay nataony tany amin'ireny tanĂ na fitoeran'ny kalesy ary tao amin'ny mpanjaka tany Jerosalema.
15. Ary nataon'ny mpanjaka ho tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy sy ny volamena tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka.
16. Avy tany Egypta no nahazoan'i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin'ny mpandranton'ny mpanjaka dia naka andiany iray araka izay vidiny voatendry.