2 Samoela 2:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary rehefa afaka izany, Davida dia nanontany tamin'i Jehovah hoe: Hiakatra ho any amin'ny tanànan'ny Joda anankiray va aho? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara. Ary hoy Davida: Any aninona no hiakarako? Dia hoy Izy: Any Hebrona.

2. Dia niakatra nankany Davida mbamin'ny vadiny roa, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila, ilay novinadin'i Nabala Karmelita.

3. Ary ny olona izay tao amin'i Davida mbamin'ny ankohonan'ireo dia samy nentiny niakatra koa, ka nonina tao amin'ny tanàna momba an'i Hebrona izy ireo.

4. Ary dia avy ny lehilahy amin'ny Joda ka nanosotra an'i Davida tao mba ho mpanjaka amin'ny taranak'i Joda. Ary nisy nanambara tamin'i Davida hoe: Ny olona any Jabesi-gileada no nandevina an'i Saoly.

2 Samoela 2