7. Dia avy ravehivavy ka nilaza tamin'ny lehilahin'Andriamanitra. Ary hoy kosa izy: Mandehana, amidio ny diloilo, ka anefao izay trosan'olona aminao, ary izay sisa dia hivelomanao sy ny zanakao.
8. Ary tamin'ny indray andro Elisa dia nankany Sonema, ary nisy vehivavy mpanankarena teo izay nanery azy hihinan-kanina. Ary isaky ny mandalo izy, dia nivily nankao aminy hihinan-kanina.
9. Ary hoy ravehivavy tamin'ny lahy; Indro, fantatro fa masina sady lehilahin'Andriamanitra ilay mpandalo eto amintsika mandrakariva.
10. Masìna ianao, andeha isika hanao efi-trano kely ambony rihana; ary hasiantsika fandriana sy latabatra sy seza ary fanaovan-jiro ho azy ao; ary raha tonga eto amintsika izy, dia ao no hipetraka.
11. Ary tamin'ny indray andro dia tonga tao Elisa ka nipetraka tao amin'ilay efi-trano ambony ary nandry tao.
12. Ary hoy izy tamin'i Gehazy zatovony: Antsoy ilay Sonemita. Ary rehefa nantsoiny ravehivavy, dia nitsangana teo anatrehany izy.
13. Ary hoy Elisa tamin'i Gehazy: Mba lazao amin-dravehivavy hoe: Indro, efa niahy anay tamin'izao fiahiana rehetra izao ianao, koa inona kosa no mba hatao ho anao? Tianao holazaina amin'ny mpanjaka va ianao, na amin'ny komandin'ny miaramila? Dia namaly ravehivavy hoe: Mitoetra atỳ amin'ny fireneko aho.
14. Ary hoy Elisa: Fa inona ary no hatao ho anao? Dia namaly Gehazy hoe: Tsy hitanao va fa tsy manan-janaka izy, sady efa antitra ny lahy?
15. Ary hoy Elisa: Antsoy ary izy. Ary nony nantsoiny izy, dia nitsangana teo am-baravarana.
16. Dia hoy izy: Raha mby amin'ny fotoana, raha avy ny taona toy izao, dia hitrotro zazalahy ianao. Ary hoy ravehivavy: Tsia, ry tompoko, lehilahin'Andriamanitra, aza mandainga amin'ny ankizivavinao.
17. Koa nefa nanan'anaka tokoa ravehivavy, ka nony niherina ny taona, dia tera-dahy izy tamin'ilay fotoana nolazain'i Elisa taminy.
18. Ary nony efa lehibe ny zaza, dia nankany amin'ny rainy tany amin'ny mpijinja vary izy indray andro,
19. Ary hoy izy tamin-drainy: Edrey! ny an-dohako! ny an-dohako! Ary hoy rainy tamin'ny zatovo anankiray: Ento ho any amin-dreniny izy.