20. Ary nony maraina, tokony ho tamin'ny fotoana fanaterana ny fanatitra, dia, indro, nisy rano tokoa tonga avy tamin'ny lalana mankany Edoma, ka feno rano ny tany.
21. Ary rehefa ren'ny Moabita rehetra fa avy miakatra hiady aminy ireo mpanjaka ireo, dia nivory izy hatramin'izay rehetra nahatam-piadiana no ho miakatra, ka dia niandry teo amin'ny sisin-taniny.
22. Ary nony nifoha maraina koa ny Moabita, sady efa niposaka ny masoandro ka nitaratra tamin'ny rano, dia hitany ny rano tandrifiny fa mena tahaka ny rà.
23. Dia hoy izy: Rà io! efa nifandringana tokoa ireo mpanjaka ireo, ary efa nifamely izy rehetra; koa mamaboa amin'izao, ry Moaba!