1. Ary Jorama, zanak'i Ahaba, vao nanjaka tamin'ny Isiraely tao Samaria tamin'ny fahavalo ambin'ny folo taona nanjakan'i Josafata, mpanjakan'ny Joda, ary nanjaka roa ambin'ny folo taona izy.
2. Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah koa izy, nefa kosa tsy dia tahaka an-drainy, na tahaka an-dreniny; fa nanaisotra ilay tsangam-baton'i Bala izay nataon'drainy izy;
3. nefa izy nikikitra tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely, fa tsy niala tamin'izany.