10. Efa namely an'i Edoma tokoa ianao, ka dia nirehareha ny fonao; aoka hahafa-po anao ary izany voninahitra izany, ka mitoera ao an-tranonao ihany; fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin'ny Joda koa ianao?
11. Fa tsy nanaiky Amazia. Koa dia niakatra Joasy, mpanjakan'ny Isiraely; ary izy sy Amazia, mpanjakan'ny Joda, nihaona tany Beti-semesy izay any Joda.
12. Dia resy teo anoloan'ny Isiraely ny Joda, ka samy nandositra ho any amin'ny lainy avy izy.