9. Ary Joahaza lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao Samaria izy; ary Joasy zanany no nanjaka nandimby azy.
10. Tamin'ny taona fahafito amby telo-polo nanjakan'i Joasy, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Joasy, zanak'i Joahaza, tamin'ny Isiraely tany Samaria, ary nanjaka enina ambin'ny folo taona izy.
11. Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy; fa tsy niala tamin'ny fahotana rehetra izay nataon'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sady nampanotany ny Isiraely; fa nandeha tamin'izany ihany izy.
12. Ary ny tantaran'i Joasy sisa mbamin'izay rehetra nataony sy ny heriny niadiany tamin'i Amazia, mpanjakan'ny Joda, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
13. Ary Joasy lasa nodi-mandry any amin'ny razany, ary Jeroboama nipetraka tamin'ny seza fiandrianany; ary Joasy dia nalevina tany Samaria tao amin'ny mpanjakan'ny Isiraely.
14. Ary Elisa dia nararin'ny aretina izay hahafaty azy. Ary Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, nidina nankany aminy ka niondrika nitomany teo ambonin'ny tavan'i Elisa ka nanao hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô, ny kalesin'ny Isiraely sy ny mpitaingin-tsoavaliny!
15. Ary hoy Elisa taminy: Makà tsipìka sy zana-tsipìka. Ary dia naka tsipìka sy zana-tsipìka izy.