8. Ka dia niantso an'i Joiada mpisorona sy ny mpisorona sasany koa Joasy mpanjaka ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no tsy nanamboatra ny simba amin'ny trano? Koa ankehitriny, aza mandray vola amin'ny olom-pantatrareo intsony ianareo, fa omeo hanamboarana ny simba amin'ny trano ny vola.
9. Ary ny mpisorona nanaiky tsy handray vola amin'ny olona intsony sady tsy hanamboatra ny simba amin'ny trano.
10. Fa Joiada mpisorona naka vata anankiray, dia noloahany ny rakony, ary napetrany teo anilan'ny alitara tamin'ny sisiny ankavanana eo am-pidirana amin'ny tranon'i Jehovah; dia nalatsaky ny mpisorona, mpiandry varavarana, tao ny vola rehetra izay nampidirina ho ao an-tranon'i Jehovah.
11. Ary rehefa hitany fa be ny vola tao am-bata, dia niakatra ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny mpisoronabe, ka nofonosiny ny vola izay hita tao an-tranon'i Jehovah sady nisainy.