15. Ary rehefa niala teo Jeho, dia nahita an'i Jonadaba, zanakalahin'i Rekaba, avy manatona azy; dia niarahaba azy izy ary nanao taminy hoe: Marina va ny fonao tahaka ny foko amin'ny fonao? Ary Jonadaba namaly hoe: Eny. Raha izany ary no izy, hoy Jeho, dia aoka isika hifandray tanana. Dia natolony ny tànany, ka nampiakarin'i Jeho ho eo aminy teo anatin'ny kalesy izy.
16. Ary hoy Jeho: Andeha hiaraka amiko, ka izahao ny zotom-poko ho an'i Jehovah. Dia nentina teo amin'ny kalesy izy.
17. Ary rehefa tonga tany Samaria Jeho, dia namono izay sisa rehetra tamin'ny tamingan'i Ahaba tany Samaria mandra-paharingany, araka ny tenin'i Jehovah izay nolazainy tamin'i Elia.
18. Ary Jeho namory ny vahoaka rehetra ka nanao taminy hoe: Ahaba nanompo an'i Bala kelikely ihany, fa Jeho no hanompo azy fatratra.
19. Koa ankehitriny vorio ho atỳ amiko ny mpaminanin'i Bala rehetra, ny mpanompony rehetra sy ny mpisorony rehetra; aza avela hisy tsy ho tonga na dia iray akory aza; fa hamono zavatra betsaka ho fanatitra ho an'i Bala aho; koa na iza na iza tsy ho tonga, dia tsy hovelomina izy. Kanjo Jeho nanao izany ho fihendrena handringanany ny mpanompon'i Bala.
20. Ary hoy Jeho: Manendre fivoriana masina ho an'i Bala. Koa dia nanendry andro izy.