2 Korintiana 2:5-13 Malagasy Bible (MG1865)

5. Fa raha nisy efa nampalahelo, dia tsy nampalahelo ahy ihany izy (nefa tsy ta-hanao teny mafy loatra aho), fa mba nampalahelo anareo rehetra koa.

6. Ampy ho amin'izany olona izany ny fampijaliana nataon'ny maro,

7. ka dia aleo mamela heloka sy mampifaly azy kosa ianareo, fandrao dia resin'ny fitomboan'alahelo izany olona izany.

8. Koa mananatra anareo aho mba hekenareo horaisina tsara amin'ny fitiavana izy.

9. Fa izany koa no nanoratako, mba ho fantatro izay toetrareo, na manaiky amin'ny zavatra rehetra ianareo,na tsia.

10. Fa izay avelanareo heloka dia mba avelako heloka koa; ary izaho anefa,raha nisy heloka navelako, dia noho ny aminareo no namelako azy teo imason'i Kristy,

11. fandrao ho resin'ny fitak'i Satana isika, fa fantatsika ny hafetseny.

12. Ary rehefa tonga tany Troasy hitory ny filazantsaran'i Kristy aho, ka novohana varavarana ao amin'ny Tompo,

13. dia tsy tafandry ny fanahiko, satria tsy nahita an'i Titosy rahalahiko aho; fa nanao veloma ny olona aho, dia niala teo nankany Makedonia.

2 Korintiana 2