2 Korintiana 11:15-25 Malagasy Bible (MG1865)

15. Koa tsy zavatra lehibe tsy akory, raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon'ny fahamarinana; nefa ny farany ho araka ny asany ihany.

16. Hoy izaho indray: Aza misy manao ahy ho adala; nefa, na dia misy manao izany aza, raiso toy ny adala aho mba hireharehako kelikely koa.

17. Izao lazaiko izao dia tsy lazaiko araka ny Tompo, fa toa amin'ny fahadalana amin'izao rehareha matoky izao ihany.

18. Satria maro no mirehareha araka ny nofo, dia mba hirehareha koa aho.

19. Fa sitrakareo ny handefitra amin'ny adala, satria hendry angaha ianareo.

20. Fa hay! mandefitra ihany ianareo, raha misy manandevo anareo, raha misy mandany anareo, raha misy misambotra anareo, raha misy mirehareha aminareo, raha misy mamely ny tavanareo.

21. Manala-barĂ -tena aho ka toa manaiky fa nalemy izahay! Fa amin'izay mahasahy ny olona (miteny toy ny adala aho), dia mba sahy koa aho.

22. Hebreo va izy? Izaho koa. Isiraelita va izy? Izaho koa. Taranak'i Abrahama va izy? Izaho koa.

23. Mpanompon'i Kristy va izy? (miteny toy ny olona very saina aho) mihoatra noho izy aho: amin'ny fisasarana manan-tombo, amin'ny tranomaizina matetika kokoa, amin'ny kapoka be efa izay tsy izy, amin'ny fahafatesana matetika.

24. Indimy aho no nokapohin'ny Jiosy inefa-polo latsaka iray avy.

25. Intelo nokapohina tamin'ny hazo aho, indray maka notoraham-bato, intelo no vaky sambo, indray andro sy indray alina no nitoetra teo amin'ny lalina,

2 Korintiana 11