2 Jaona 1:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Izaho loholona mamangy an'itompokovavy voafidy sy ny zanany, izay tiako amin'ny fahamarinana (ary tsy izaho ihany, fa izay rehetra mahalala ny marina koa)

2. noho ny fahamarinana izay mitoetra ato anatintsika sady ho ato amintsika mandrakizay:

3. ho amintsika ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy, Zanaky ny Ray, amin'ny fahamarinana sy ny fitiavana.

4. Faly indrindra aho, satria misy hitako ny zanakao sasany mandeha amin'ny fahamarinana araka ny nandraisantsika didy tamin'ny Ray.

2 Jaona 1