1 Tesaloniana 5:24-27 Malagasy Bible (MG1865)

24. Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany.

25. Ry rahalahy, mivavaha ho anay.

26. Manaova veloma ny rahalahy rehetra amin'ny fanorohana masina.

27. Mampianiana anareo amin'ny Tompo aho mba hovakina amin'ny rahalahy rehetra ity epistily ity.

1 Tesaloniana 5