1. Ary amin'izany, raha tsy naharitra intsony izahay, dia nataonay fa mety ny hilaozana hitoetra irery tany Atena,
2. ka dia nirahinay Timoty, rahalahinay sady mpanompon'Andriamanitra amin'ny filazantsaran'i Kristy, mba hampahery sy hamporisika anareo amin'ny finoanareo,
3. mba tsy hisy ho taitra amin'izao fahoriana izao; fa ny tenanareo mahalala fa ho amin'izao no nanendrena antsika.
4. Fa fony teo aminareo aza izahay, dia nilaza taminareo rahateo fa tsy maintsy hampahorina isika, dia toy ny efa nanjo ihany ka fantatrareo.