16. ka mandrara anay tsy hitory amin'ny jentilisa mba tsy hamonjena ireny, mba hameno ny fahotan'ny tenany mandrakariva; kanjo efa niharan'ny fahatezerana hatramin'ny farany izy.
17. Ary izahay, ry rahalahy, rehefa tafasaraka taminareo vetivety foana tamin'ny fanatrehana, fa tsy tamin'ny fo, dia vao mainka nitady sy naniry fatratra hahita ny tavanareo.
18. Koa naniry hankany aminareo indray mandeha amana indroa izahay, dia izaho Paoly; nefa nosakanan'i Satana izahay.
19. Fa inona moa no fanantenanay, na fifalianay, na satro-boninahitra reharehanay? Moa tsy ianareo eo anatrehan'i Jesosy Tompontsika amin'ny fihaviany va?
20. Fa ianareo no voninahitray sy fifalianay.