1 Tesaloniana 1:6-10 Malagasy Bible (MG1865)

6. Ary ianareo efa nanahaka anay sy ny Tompo, satria nandray ny teny tamin'ny fahoriana be mbamin'ny hafaliana avy amin'ny Fanahy Masina,

7. ka dia tonga fianarana ho an'ny mino rehetra any Makedonia sy Akaia ianareo.

8. Fa avy taminareo no nanenoan'ny tenin'ny Tompo, tsy tany Makedonia sy Akaia ihany, fa teny tontolo eny no nielezan'ny lazan'ny finoanareo an'Andriamanitra, ka dia tsy misy holazainay intsony.

9. Fa ireny ihany no milaza ny aminay, dia izay fidirana azonay ho atỳ aminareo sy ny nialanareo tamin'ny sampy hiverenana amin'Andriamanitra mba hanompo an'Andriamanitra velona sy marina,

10. ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin'ny maty, dia Jesosy, izay Mpanafaka antsika amin'ny fahatezerana ho avy.

1 Tesaloniana 1